hapanginiko ny foko (RBLN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hapanginiko ny foko
Zay nitempo hatrizay
Hotoniko koa ny saiko
Tsy hamisavisa anao
Ampy zay ny vitantsika
Fa ny hoavinao jerena
Ny fonao manontolo angamba
Efa misy manantena
Izaho anie tsy hokivy
Na ho ketraka @ zany
Faniriana anie ny antsika
Olombelona eto an-tany
Koa rehefa tsy hotanteraka
Na koa tsy hoanjara
Tsy aleo ve misaraka
sa...tsy zany ve no tsara?
Nefa atao ahoana moa
Ny eto an-tany manampetra
Misy farany avokoa
Zay natomboka rehetra
Koa ny teniko @nao ry tiana dia izao , ilay efa notiavinao no tiavo sy hajao
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
5241 1
Mpakafy: maloiah
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 21/03/2006 08:05)
andray kosa lé tononkalo e! mampalahelo be!mahereza
soaniary ( 22/03/2006 08:38)
mampalahelo toka, nefa tena mitory fiononana feno fahendrena sy fanajana ilay nandao sy ny fitiavana efa niainanareo
raozigasy ( 28/03/2006 10:30)
Mahereza ianao ry namana
Hery no ataovy an-tanana
Dia adinoy hatreo ny lasa
S’ireo fo voarasarasa

Tsarovy fa ny anjaranao
Mbola any miandry anao
K’izay faniriana tsy tanteraka
Aza dia atao mandreraka

Ndeha banjino ny ho avy
Dia aza mihemotra miangavy
Fa tohizo izany dia
Tsy fampitamby ny Fitia
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RBLN
Nampiditra : landy05
Daty : 19/03/2006 10:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0273