Ny Reniko (RBMF)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RENIKO, Io i neny , Toa lasalasa saina ; Mangina tsy miteny , Miharitra tsy mba mitaraina . Izy no manabe sy nikolokolo ahy , Nitaiza ahy hatramin'ny kely ; Na dia tany @bohoka aza aho, Dia efa nikolokolo i neny . Izy no nitondra folo volana @bohoka , Nitaiza sy nikarakara ; Manome fanafody raha sendra nikohoka, Tsy mahafoy ity zanaka malala. Na dia misy aza ny bedybedy isan-karazany , Izy mananatra hatrany ; Ka haraho tsara ireo voalazany , Fa i neny hafa ihany ! Tsy ho adinoko na oviana , Ireo anatra nomeny ; Tsaroako foana ianao ry neny tiana , Tsaroako ianao,tsy ho adinoko raha i neny ! RBMF
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
819 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RBMF
Nampiditra : RBMF
Daty : 19/12/2012 09:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151