You are here: home > Vetso

Ny fitiavana? - rdjr

Azo vakiana?

Ny fitiavana? Afo mandoro
Raha tsy voataiza sy voakolokolo
Ny fitiavana? Mety mandratra
Raha sendra mpisompatra na miraparapa
Ny fitiavana? Vidian'ny hafa vola
Mba hoenti-miraozy sy midolodola
Ny fitiavana? Mety ho valifaty
Raha tojo fampanantenana poakaty
Ny fitiavana? Manimba ny tena
Rehefa tsy eo ny fahaiza-miaina
Ny fitiavana? Mahalasa adala
Raha tojo mpamitaka na sendra ny môla
Ny fitiavana? Mety mahafaty
Raha tojo tsy vanona na olon-dratsy
Ny fitiavana? Mila fitandremana
Mba mailo fa sao hanenenana!

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

jentilisa (06/09/2005 17:42:47)

fitiavan'olon-droa io an! mila fahamailoana tahaka ny ahoana ary ny fitiavana?
tsara ihany na dia izany aza. ny fitiavana manko toa mila fanoloran-tena manontolo ihany ka mailo ahoana amin'izany?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : rdjr

Nampiditra : rdjr
Daty : 06/09/2005
Mpamangy : 1026
Mankafy : 1