NY TENA LEHILAHY (RFF)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Olona mahery tsy sadaikatra mijoro
andry fiankinana sy manda tsy mikoro,
manam-pahalalana sy malemy fanahy
hendry ihany koa izany no tena lehilahy.


Olona iray tsy dia be ranomaso
fa manana ny hery hafahana miady...
mamita ireo asa fa tsy tia andrasoandraso
ka na tojo olana aza;vahaolana vonona izy hitady.

Olona matanjaka tsy matahotra ny tolona
fa manana risi-po ary tena sahy
koa zary orim-bato reharehan'olona
izany no lazaiko ho tena lehilahy.

RFF(Loriquet)
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1073 1
Mpakafy: loriquet
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFF
Nampiditra : loriquet
Daty : 27/11/2017 15:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137