Hita tany ho any (RHTL (Rafahatelo))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maneno tokana ny akoho
Amin'ny efatra maraina.
Dia lasa moramora, mitsangana malaina
Sady mitaraina hoe:
Mbola misy ve ny vary maina?

Ny mibahana ao an-tsaina
Dia ny trosa izay hoefaina
Tsy hita hotantaraina
Fa mampiferotr'aina.

Minitra vitsivitsy aorian'ny asa saina
Dia lasa indray manangona ny lamba hosasaina
Fa tsy mba misy fakàna aina
Na ankoatr'izay azony lazaina

Indray andro manontolo
Fa tsy nirava tamin'ny folo
Dia tsy nisy mba nisolo
Fa nanasa lamban'olo

Tsy sanatria mamono lolo
Na mampihorohoro ny izao tontolo
Fa tsy voahogony ny volo
Na mba voakolokolo!

Tsy maneno intsony ny akoho
Amin'ny fito hariva
Izay vao niditry ny trano
Efa hotsaky ny rano.
Izy anefa: Malagasy
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - fiainana
443 1
Mpakafy: RHTL
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHTL (Rafahatelo)
Nampiditra : RHTL
Daty : 12/01/2023 17:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134