Koboniko - Rianala
Azo vakiana?
Manina izay tsy manina
Ka manirery,toa adala,
Mamikiviky,efa fanina
Nefa tsy misy mahalala...
Misafo loha fa diso tetika,
Nanantena ny ho tiavina,
Efa nino fa ho tretrika
Nefa indrisy fa nolavina
Mai-molotra,mangina;
Zary lasa saina lava...
Mba naniry olon-tiana
Kanjo sendra ny avo vava
Aoka marina,aoka etsy,
Tsy te ho voa toy izany aho.
Koboniko ilay fitia
Na dia tiako aza ianao
Sokajy :
Ahiahy
Mombamomba
Mpanoratra : Rianala
Nampiditra : mimistephDaty : 30/07/2014
Mpamangy : 838
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MiandryHatory aho