Malemy (Riankalo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny,malemy
Mitoetra ho alokao fa tsy sahy mamoaka teny
Na lala-mikodàna
Tsy sahiko banjinina ny masonao mazàna

Matetika tomany
Mahita anao voarombaka amin'ny antso sesilany
Fa dia tsy sahy mandroso
D'aleoko aloha mijanona ho tia an-tsokosoko

Asa hoe nahoana?
F'ianao no anoloana dia mangovitra sy moana
Mangenahena fatratra
Efa te hamboraka fitia toa ankamantatra

Fa eny,malemy
F'hatramin'izao ny foko manjohy anao ombieny
Tsy nahaloaka akory
Ianao ilay isan-kalina tsy hahitako tory

Riankalo T.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
538 10
Hevitra mandeha
Riankalo ( 09/03/2024 12:18)
Mankafiza finaritra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankalo
Nampiditra : Riankalo
Daty : 09/03/2024 12:16
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133