NY FIAINAKO (Riantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fianako dia jaly hatrany
isan'andro dia feno tomany
Izany ny miaina eto an-tany
Lanjaiko fa anjarako izany

Tsy mba hafaliana fa fijaliana
no mameno io fiainako io
Izany ka tsy maintsy ihafina
Zakaiko ny omaky sy anio

Ny fiainako dia feno alahelo
ranomaso toloko tsy tana
Rafahatrana no mamelovelo
mitapody ka sarotra ialana

Ity tenako kely dia manana adidy
fahoriana tsy roaman-tany
Nosoparan'ireo tsy masi-mandidy
Iaretako fa io ilay hoe:fiaianana izany
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Ahiahy
2059 1
Mpakafy: mbola
Hevitra mandeha
mbola ( 16/01/2006 15:28)
olona resim-piainana;kivikivy
mbola ( 16/01/2006 15:28)
olona resim-piainana;kivikivy
vetsoko ( 17/01/2006 14:34)
mbola a! fadiao ny miteny hoe resin'ny fiainana fa misy fiainana mety mbola tsy nandramanao
Anio ianao no resy
rahampitso ianao hitrako
izay fahoriana vetivety
aza avela ho tompon-daka

...Tsoa
raozigasy ( 17/01/2006 22:36)
Mahereza fa ny fiainana dia kodiaran-tsarety ka miodinkodina

Aza kivy izany e ! efa nandalo teo aho ka izany no hanolorako anao ity andalan-tsoratra ity

Hinia tsy ho kivy aho
Na dia mavesatra
Sy feno sakasakana
Ny fiainana lalovana

Hinia tsy ho kivy aho
Na dia efa reraka
Sy tena valabalaka
Ana sy torovana

Hinia tsy ho kivy aho
Fa hanantena ihany
Hinia tsy ho kivy aho
Fa hanantena hatrany
rainstorm ( 23/10/2010 10:57)
Riantsoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riantsoa
Nampiditra : mbola
Daty : 16/01/2006 07:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135