Fanolanana (Rina Sylvia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misoratra mivandravandra amin'ny lohatenin-gazety
matetika ny hoe:'' NISY TOVOVAVY IRAY VOAOLANA TETSY NA TEROA''.

Fa ny tovovavy koa anie... toa mihandrahandra
sy miakanjo fohy ary koa mihanjahanja ka... aiza
no tsy ho voaolana tokoa e!?

Aseho ny foatra a... dia ahanjahanja amin'ny akanjo tery
ny habean'ny fitombenana. Aderadera koa ny
tratra mba haneho ireto nono.

Izany hoe hatsiana mihitsy ry zalahy ho
voasintona sy ho voajono e!


Dia iny fa sondriana!
Variana amin'ny fipelipelika,ny fitopatopa,izato
doladolan'ito zavatra eto alohany.

Velom-pioka éry ary koa milela molotra...

Entanim-paniriana diso tafahoatra
Ka tsy mahafehy intsony ny firedaredan'ny filàna efa romotra


Zary olona voatery sy voabaikon'ny filàna

Ka tsy misaina intsony izay mety ho fiafaran'ny...

Fiainan'ireny zazavavy mbola herotrerony
Toa tsy Mahalala akory fa... ny fanehoany ny
hamanjàny

Amin'ny ampideraderany ny faritra @vatany izay
tokony ho afeniny
dia hitera-doza ho azy.


Ka ho tambazany ianao sy koa ho langolangoiny

Hampiasainy avokoa izay mety ho faraheriny

Rehefa tsy ho azo mora dia hampitahoriny
ho horohoroiny sy hataony an-keriny.


Ny an'ny sasany aza ve... ny ray niteraka mihitsy
no... nahavanona ny loza a!!!

Ny an'ny hafa indray!? ... Ny Ray keliny!!! ny
dadatoany hono, ny anadahiny na koa ny olon-
tiany no nahavita namatotra tongotra aman-
tanana sy koa nanampim-bava ary nanapatra
filàna tamin-kerisetra taminy.

Ny mampalahelo anefa... tsy maha onitra akory
izato rarin-tsaina sy takaitra entiny ny sazy omena
ireny tompon'antoka nahavan-doza naiditra am-
ponja!!!


Ka raha fitsarana marina sy mitsara ara-drariny

Dia ny sazy mafy indrindra no tokony hampihariny
e!!

Fa izao tokoa !!! Tsy aleo ve aloha misoroka mba
tsy hisian'ny nenina e?

Izany hoe ovaina ny fitafy! Mba atao
mahasarona izay tokony ho afenina.

Koa mba tsy hitondrana takaitra sy fangirifiriana
vokatry ny fanolanana

Dia fadiana ny mandeha sy mitokatokana amin'ny toerana mangina na koa tsy milamina.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
68 2
Mpakafy: L160804 - ZavonaRakoto
Hevitra mandeha
L160804 ( 09/06/2025 10:46)
Ialana tsiny mialoha ny voambolana diso sy ny fomba fanoratra diso. Marina hoe mpanoratra aho dia mila mahafehy tsara ny teny malagasy.Fa hatreto aloha mbola miezaka.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rina Sylvia
Nampiditra : L160804
Daty : 06/06/2025 19:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0136