Satria aho tia (Rivomanana6263)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIA AHO TIA.Tononkalo
?Satria aho tia dia nosena ilay fitiavako
Tsy norarahiana akory,ireo teny izay voalazako
Fa noheverina ho adala sy nirediredy hatrany
Hoe aleo hiteny izay teneniny any

?Satria aho tia,hatramizay toa tsisy vidiny
Tsy nosaininao anefa fa mety itondranao ny ngidiny
Fa ilay fitiavako,moa nisy lanjany aminao?
Ankehitriny anefa tsy haiko intsony izay atao

?Satria aho tia nitaraina hoe mba tiavo
Saingy toa tsy mba nohenoina,fa natao tsindrio fa lavo
Toa tsy nisy dikany ireo teny izay nomeko
Nefa moa ianao,tsy afaka tereko

?Ny tsy fantatrao anefa,misy fetra anie ny dia.
Efa nifarana hatreo tapitra ilay fitia
Rehefa tsy nilaina,haiko foana ny nitoetra
Tsy naanenenako anefa ireo vitako rehetra

?Fa ireny alahelo izay nandrakotra ny tavako
Ireo teny mamy izay nolazain vavako
Tsy ho renao intsony,fa hangina sy hifarana
Fa nandratra ny foko ianao.mba nataoko lohalaharana
?Efa tara loatra ianao rah toa ka hitodi-doha
Fa efa nobaboin'olonkafa anie ilay fo
Nofenoiny ilay banga tsy fenonao hatramizay
Satria aho tia dia notohizako ny anay.


?Hadisoako ve raha toa aho hilavo lefona
Fa izay nataonao ahy,dia nataoko mba ho lesona
Voasoratro ny lasa,diary tsy mba very
Fa ny fitiavako anao,toa nitondrako fery
Nosoratani Rivomanana6263
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
80 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rivomanana6263
Nampiditra : Rivomanana6263
Daty : 29/08/2024 12:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013