Mandalo dia miserana (RLDV)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandalo dia miserana ny zavatra rehetra
Mandalo dia miserana ka ao amin Andriamanitra no fetra
Mandalo dia miserana ka tsy hitahita akory
Ny fanahinao hiala ary ny vatanao hatory

Mandalo dia miserana ny fandalovanao eto an tany
Mandalo dia miserana ny fisian ny ambony sy ambany
Mandalo dia miserana ny fahambonian tena
Fa ao anatin indray mipimaso dia ho foana ny harena

Mandalo dia miserana ny hatanorana
Mandalo dia miserana ka aza variana mikorana
Mandalo dia miserana ka sao hitondra kitra
Fa ho antitra vetivety noho ireo karazana ditra

Mandalo dia miserana ny rendrarendra eto an tany
Mandalo dia miserana ka aza variana amin izany
Mandalo dia miserana ka tsinjovy izay hiafarana
Fa ny fanahinao ho very ka tsy higoka hasambarana.
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
875 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RLDV
Nampiditra : RLDV
Daty : 03/07/2016 04:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098