INDRISYNitodihako ny las (Rnt Mpikalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRISY

Nitodihako ny lasa
Dify indray mikipy
Notiniliko ireo kasa
tsy tanteraka ; indrisy !

Indrisy !
Ry Tompon'aina o!
Mivalo mitalaho
Fa toa hamotraka aina
Ny ota izay natao

Soa fa nahiratra aho
Ka ny hazina mahery
Nirintona nandao
Nirifatra niery

Tompo o ! Inty aho
Inty aho hanjakao . . .

Rnt Mpikalo
2018
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1075 0
Hevitra mandeha
diella.ramarosandratana2018 ( 11/07/2018 15:39)
tsara B le tonokalo msotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rnt Mpikalo
Nampiditra : Rnt3
Daty : 10/07/2018 19:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135