Inay (Robbie Raberison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inay!

Inay aho no peratra
tamin'ny tananao
Izaho tsy ahatsiaro menatra
mifikitra aminao
satria,ny tananao ho tanako
Ianao koa mba viravako

Inay aho fitaratra
fijerinao maraina
Ny bikanao tomaratra
no mamelombelon'aina
satria,ny endrikao ato amiko
ny fanahinao no laniko

Inay aho no rado
teny an-tendanao
izaho tsy anadroadro
ny fofo-manitrao
satria,ny hoditrao malefaka
toa tiako ho ahy tanteraka
robbie R.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1049 1
Mpakafy: rob
Hevitra mandeha
doum ( 04/08/2005 14:22)
lalina ndray iny
misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Robbie Raberison
Nampiditra : rob
Daty : 04/08/2005 14:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131