You are here: home > Vetso

Ho an'i Neny (Tantara marina) - Rockftiavana

Azo vakiana?

Neny!
Fony kely aho ry Neny, nampianarinao niteny,
Nisasaranao irery,  tsy nahatsapanao tsy nisy
Misaotra anao tam'reny, ankehitriny nefa indrisy,

Raha nandao ny tany anefa ianao,
nohon'ny etraketrakin'ny sasany,
Namela tsiahy sy ngidy mafy,
eny hatramin'ny zafiafy,

Reny soa rehetra ir'eny,
hotsaroana ombieniombieny,
raha mbola re lay teny,
dia ny anaranao ry neny,

ankehitriny kosa anefa, toa navelanao irery
lay mamimanao indrindra ,
na eo aza izany, dia matsiaro anao hatrany hatrany,
raha mbola eto an-tany, de ny anaranao ihany

tsy nataoko ho fotsy rora raha sendra  mba n'teny
fa nolalaiko hatrany hatrany, reo anatrao ry neny
ho tadidy sy hotsaroana, reny teny mamy reny
sy ilay tsiky sy ny tsiahy navelanao



Mombamomba

Mpanoratra : Rockftiavana

Nampiditra : Rockftiavana
Daty : 21/10/2011
Mpamangy : 2793
Mankafy : 2