Ianao no hany tiako (rolland)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO HANY TIAKO

Ianao no hany tiako
Tena tiako, ka hiriako
Ho fitia lamban’akoho
‘Lay ho fitiavantsika roa

Fitia tokana an-tany
Tsy horitra, tsy holany
Ho fitia fato-maty
Hoentintsikaroa mandra-maty

Sambatra aho ry aiko
Mitory ‘ty fitia
Tretrika aho ry tiako
Raha toa koa ianao ka mba tia

Ka raiso re rahavako
‘Zany mba fitiavako
Tsy mba fitia imolotra
Fa vokatry ny fo no atolotra

Valio re! raha sitrakao
Ity vavako mitalaho
Ekeo re! raha azo atao
Ny fitiavako mila anao

Enga anie ka ho eny
‘Zay ho vali n-teny
Sanatria tsy ho tsia
Ka hamono ity fitia

Eny hoe!

RAZAFINDRAZAKA Rolland(Rold)
(30 Avril 2008 Ambohibarikely)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1296 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rolland
Nampiditra : Rold
Daty : 29/05/2008 07:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013