Aingampanahy (Rtv )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Irony rano eny avaratranon’Drazoky ony no tondraka tsy mamarovoro ary ritra tsy mampiseo fasika, ary ny voailahy mita ny ikopa no mirotsaka andrano fa tsy mihirina, milatsaka andombo fa tsy mba mivoy, fa ny ety aminay na hory mbola sy horin-karena aza mba manam-pahendrena ihany, koa raha mandalo manao mbay lalana ary raha mivolana manao azafady satria ny azafady fanomezamboninahitra anaroe hitenena ary koa fangatahangalana raha hiteny
Noho izao nahatratraran’i ………….tsingeritaona nahateranao izao dia izaho no voatendry hitondra ny fitenenana eto anio koa tsy ny goaika maneno atoandro aho akory ka hampidera feo eny amin’ny habakabaka na mandray tsy raisina tahakany tsipolotra antitra fa noho ny teny tahaka ny vato ka izay maivana no atoraka noho ny teny tahakany atsy ka izay maranitra no andidy dia raisiko ny fitenenana satria teny nomena tompoko ka mampijaridina fa raha tsy nomena kosa dia mety hampitsingidinaa
Manarak’izany tompoko, raha hahandro vary ony tsimaintsy mitsipona, ary raha handrehitra afo tsimaintsy mifako kitay, ary raha handahateny kosa dia tsimaintsy miala tsiny, koa azafady misalovana ry Ray Amandreny fotsy volo amin’ny tany, ela nihetezana ka lava volo, masoandro amam-bola fanala haizin’ny fianakaviana sady tompon’ny fitenenana, azatsiny misalovana ry Zokibe toa ray, andribe fiakinana, votobe fifaharana ary kiady amam-boninahitrin’ny fianakaviana, Azafondro mivolana imaso ry olo-mitovy saranga amin’ny tena, soroka misalaha fa indray nihira, indray nitrebona ka mifaonome voninahitra, tsy azo hodian-tsihita koa ianareo zandry zanaka mahaleo mahalasana rehetra, izay hazo dimbin’ny ala kolokolo dimbin’ny vary,n ambioka antoky ny aina fanatenam-pirenena, irarian-ko ho sakeli-mihoa-joro sy ho saonjo mihoatra ny ankondro , ka sady hahatsangy no ary ; ary tsy atao ambany maso tsy hita ianareo Andriambavilanitra, izay iniana tononi-miavaka, fa loharana nipoirana kitapo nifonosana, harona niraiketana ; atao azafad fa tompon’ny haja, voahirana am-parihy, tsimpelimbanga antanety, haingon’ny lalan-kizorana ary ravaky ny tokantrano ; Ho seranina ampitenenana ianareo rehetra ireo koa hisorohana ny salohy fito, fa ny miteny imasonareo dia toy ny miteny lango imason’ny vary, mitafy lamba imason’ny tompony, ka miala tsiny satria ny tsisy moa toy ny rivotra ankadilanana ka mipoaka vao mahataitra, tsy lany andro amira vava ny tsiny eto isika, satria tsy izay rehetra hosoratsakay akory no mangidy, na izay osorantantely no mamy fa ny atao ihany no mahatsara sy maharatsy azy isika, koa raha manao ny soa sy ny tsara isika dia hisaraka ho azy toy ny lanitra sy ny tany isika sy ny tsiny.
Manarak’izany tompoko, ny kibo hono ananan-kavana , ny loha ananan-tompo , ny omby misy filohany, ny haolo manan-tompon-dia, ny tany onenana misy lohola ary ny aina an’Andriamantra, koa araka izany, ny hasina ny arahaba tsy azo fonosina an-joron-damba na kobinina anty akanjo fa andeha atoolotra izay tandrify azy avy ; Biby tsy mihoatra ny mamba,, Tendrombohitra tsy mihoatra an-Ankaratra, avo tsy mihoatra an’Andriamanitra Mpahary ny lanitra sy ny tany, koa andeha atolontsika Azy ny saotra sy ny dera ary ny voninahitra. Fa raha ny amintsika olombelona ksoa ; biby tsy manan-doha tsy mandeha, koa ao ireo Filohan’ny Andriampanjakana isanam-baratongany avy, izay telonohrefy vadin’ny volana, rantsan-tanana akaikin’ny vava. Velonma soava tsar aizy ireo , Hikapa hahita ny tonony handidy hahita ny vaniny,
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
791 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rtv
Nampiditra : Ratovomanana
Daty : 13/11/2018 19:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134