You are here: home > Vetso

... - S. V. ANDRIAZANANONY

Azo vakiana?

...

- "Ary raha miverina izy
  indray andro any
  dia ahoana no ho lazaiko
  ary koa ho tantaraiko ?

- "Ambarao ka lazao
  fa miandry azy aho hatrany
  na maraina na hariva
  mandram-pialam-pofonaiko...

- "Ary raha mamakafaka
  na manao teny tsy tsaroana
  ka manjary mpivahiny
  tsy mba fantam-piavina ?

- "Ianao anie no havany
  eny, solon'anabaviny
  hanasitrana ny fony
  sy ny ratram-paoriany.

- "Raha tsahiany tsy miato
   ny toera-misy anao
   ka tadiaviny aleha
   dia ahoana no atao ?

- "Ity ny pera-bolamena
   atolory mba ho azy
   dia ho fantany avy hatrany
   fa efa montsana ny vazy.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : S. V. ANDRIAZANANONY

Nampiditra : Zozoro
Daty : 14/04/2009
Mpamangy : 452
Mankafy : 0