You are here: home > Vetso

Neny - Sahoby Ratsimbazafy

Andro iray toa manan-danja
Aminay tokoa anio
Fa toa voahirana mifanja
Tsy handrenesanay tadio

Totorebika ny fo
Miramirana aoka izany
Satria ilay nipoiranay tokoa
No ventesina eto androany

Koa arahaba mamy loatra
No ventesinay ry Neny
Ity fo toa te hotroatra
Hitotorebika, hiteny

Arahaba hafa kely
Fa tsy vola na tantely
Fa ny fonay retraretra
No atolotray ombieny

Ho ela velona ianao
Hifanantitra aminay
Hifanenjika, hitatao
Ireo mety ho zanakay

Sokajy : Fetin'ny Reny, Fety

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Sahoby Ratsimbazafy

Nampiditra : sahoby
Daty : 12/06/2020
Mpamangy : 120
Mankafy : 1