Ny tenin-drazako (Samuel Randria)

Nantsain'i jantina
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny
Niarahako nibada
Nianarako ny Dada
Nahaizako ny Neny
Teny
Namoronana ny hevitro
Eny,
Nilazako
Ny feon’ny fon’ny hazazako
Te hahay
‘lay teninay
Tamin’izany, hasambarako
Ny tenin-drazako…

Dia nitombo teny ny fahaizako
Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako
Nahavatra, tena vantana amiko
‘Lay teny gasy tena mamiko,

Nitombo ny fisainako
Fa namboarin’ny fiainako
Dia tazako
Ny fahalehibeazako
Dia fahombiazako
Tato am-poko nitambolona
Natakaloko ny an’olona
Navelako fa nivadika ny lelako,

Tsy afeniko
Fa ‘lay tenin-drazako, lay teniko
Asa lahy
Tonga nahamenatra ahy,
Tsy antonona ny lazako
Ny tenin-drazako
Ka nafoiko
Fa ny tsy ahy no hamboiko
Dia hoy aho : Teny maty,
Tsy mahalaza ny ato anaty!
Teny ambany
‘Zany teny gasy izany
Nefa ahy, tena ahi-ko£
Toy ny nofo sy fanahiko
Moa rehefa ambony ka azo izay nirina
Dia ny an’ny tena
no tsy tiana sy ariana?
Tsia, dia tsia!
Sanatria :
Ry tenin-drazako o, ry teniko
Neniko e, ka neniko
Ny nanambany anao
Ary izao,
Hoy ny vavaka miloatra
avy ato anatiko :

“Tompo o, tapaho re ny lelako
Raha ny tenin-drazako no avelako
Eny, foano ny hoaviko
Rah’ty teny taminao no tsy hotiaviko,”
--------
Rohy:
Sokajy : Tenin-drazana - Teny
373 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Samuel Randria
Nampiditra : jantina
Daty : 01/04/2023 07:43
Antsantononkalo
Nantsain'i jantina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129