Commentaire à propos de Raha

Revenir à Raha
nikopol ( 07/12/2004 13:51)
Samuël Ratany na Tanicus dia anisan'ireo mpamaky lay raha ny tantaran'ny literatiora malagasy an-tsoratra no resahina.
( jereo ny resaka momba azy any amin'ny mombamomban'ny mpanoratra).

Tsy hanome nôty aho satria fantatro fa hisy hahasahy hanome isa "1 " ity tononkalo ity nefa azoko antoka fa izay mahasahy izany indrindra dia ireo anisan'ny tsy mitondra na inona na inona eo amin'ny sehatry ny asa-soratra malagasy fa tsy mahita afa-tsy ny lava-poitrany, ary izay antony izay no hahatonga azy tsy afaka ivoatra na bitika aza.

Ny iangaviako ny mpandrindra raha azo atao dia ny hanova ny soratra eo akaikin'ilay isa " 1" ao amin'ny fanomezana isa, tsy atao hoe " tsy mamely" fa atao hoe "tsy tiako " , raha izay dia ara-dalana ny fahasamihafan'ny fitiavana.

Misaotra
Nikopol




zakilinina ( 18/08/2005 15:44)
Marina loatra ny anao ry nikopol.
Enga anie ka ho kanto toa ny an-dRatany ny tononkalo vaovao voaforona.
Amporisihako ireo izay afaka mamerina ireo tononkalo kanto tranainy mba hanao izany eto mba hamporisihana ireo vato namelan-kafatra hanao ny tsaratsara hatrany.
elieproch5 ( 07/08/2017 19:28)
izany tokoa ka kanto e!
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0135