Sombintsombiny - SANDRATRA TONTOLO
Azo vakiana?
Asa ianao raha mba mahafantatra?
ity foko mahantra izay tia anao fatratra
aza omena lamosina re fa mba topazo
eny fa na dia kely aza mba atsipazo
Fa ny pitipitiny avy aminao no tsoponiko
ny sombitsombiny ihany koa no fofoniko
ka aza odiana fanina
fa efa tafalatsaka lalina
Eny e!fantatro fa tsy ho ahy mihitsy ianao
fa izaho hitia mangiana anao ao anatiko ao
ary tsy ho voakosoka ato am-poko fa hitoetra ao foana
na dia hifangaro ao aza ny volana sy ny taona
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
Zozoro (16/06/2009 14:43:45)
Zozoro (16/06/2009 14:45:54)
Tiako ny vetsonao . Mankasitraka.
tontolo (24/06/2009 08:33:47)
Mombamomba
Mpanoratra : SANDRATRA TONTOLO
Nampiditra : tontoloDaty : 16/06/2009
Mpamangy : 2710
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Adalana ve sa...?Tiako ianao
Tiaviko mangiana
Ilay sarinao