Ny fiainan'ny kamboty (Sariaka Harisoa)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndriiii
Kely dia miatrika ny fiainana sahady
Kely dia tsy maintsy milofo sy mitady
Tsy mba misy mpiahy,tsy afaka hiangoty
Ranomaso foana ny fiainan'ny kamboty

Raha izany hoe hafaliana,efa tsy misy intsony
Fa vonton'alahelo hatrany anaty fony
Indrisy mantsy lasa ireo Andry sady Toky
Ka sentosento lava ny fiainan'ny kamboty

Mipitrapitra eny e,malotoloto akanjo
Ny sakafo izay harapaka tadiavina isan'andro
Eee, mihinana ihany kanefa tsy mba voky
Tena fihafiana ny fiainan'ny kamboty

Ireo havana nandrasana ho tonga hampahery
Atao ahoana moa fa ninia ny tsy nijery
Mainka aza nandatsa sy sahy nanosihosy
Mafy anie ka mafy ny fiainan'ny kamboty

Dify ny hazavana nitaratra ny fiainany
Tsy eo intsony i Dada sy Neny fitarainany
Ka tsy misy hanambitamby,nilaozan-drotsirotsy
Tomany vao maraina ny fiainan'ny kamboty

Ry mpiara - belona o, miangavy antanandroa
Andao re hifanampy,andao hifanasoa
Aza latsaina intsony fa ampio re izy ireny
Fa mafy tena mafy ny nilaozan-dRay sy Reny
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
625 16
Hevitra mandeha
hery ( 14/03/2024 18:33)
Fanamarihana kely fotsiny.
- Ny tsipi-panohizana dia - fa tsy _
Ny - dia hitanao eo amin'ny marika 6, ny _ kosa dia eo amin'ny marika 8
zakainanavalona ( 15/03/2024 05:45)
mARINA IZANY TOMPOKO
Voavonji ( 16/03/2024 04:28)
Voaray tompoko fa misaotra betsaka
manjelatra ( 10/04/2024 11:48)
azafady , aiza moa no ahitana ilay rohy azafady, ilay ao amin'ny '' facebook''
hery ( 10/04/2024 15:51)
https://www.facebook.com/tononkalo.org
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sariaka Harisoa
Nampiditra : Voavonji
Daty : 14/03/2024 14:52
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135