enao tiko mba ho eo anilako (schaye one jah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tao raha nandinika ny saiko
midobodoboka ny foko
fa ilay fitiavako
tao lasa miatra amin'ny aiko
ny oe ny amelanao irery tao tsy aiko
fa ny any mba faniriko ny oe anilanao
fa ny fo sy ny fanahy efa babonao
fa any aminao daholy antsarana
eo aminao ny akako ny afanana
vonikazo aingo ny zaridainako
tantely ny fiainako
azavan'ny tontoloko
akasitraha ny foko
ravakiny tokatrano
vohitra ny loharano
marina fa be ny hozo ao anala
fa ny fary ny mamy indrindra
marina fa be ny tsara
fa enao no tiko indrindra
vatolapy roa mifanakoiky
ny fitiavatsika
ny hafa manaiky
fa tsy andrava ny ririnina feno atsika
--------
Rohy:
3568 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : schaye one jah
Nampiditra : scayeonejah
Daty : 07/10/2016 07:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093