You are here: home > Vetso

Haingàna ry fanadinoana - Seheno

Na ny volana na taona
Dia tsy nisy nahafoana
Ny fitiavako anao
lalim-paka anatiko ao

Eny na ny nahafantarako
Fa izy iny tsy ho anjarako
Toa indray nampisy voany
Ilay fitia izay tsy nahoany

Niezaka aho ny hanadino
F'ity fo no tsy mba  mino
Irony rakitry ny ela
Angamba no tsy hainy avela

Hevitra mandeha

vetsoko (29/12/2004 19:43:51)

tia marina ianao izany!
mankahery anao,aza atsahatra ny kalo

NyKanto (31/12/2004 13:26:39)

Ekeko fa sarotra tokoa ny mahita ny làlan'ny fanadinoana...
Ny Kanto

Mombamomba

Mpanoratra : Seheno

Nampiditra : IARIS
Daty : 29/12/2004
Mpamangy : 896
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Un petit oiseau
Amlboara ho anao