TSIKY SANDOKA (Singampitiasaropady)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIKY SANDOKA ☺️?

Aza faly foana rehefa hitsikiko
Na koa aza valina raha ...
sendra nahatopy
Nijery anao ny masoko
Fa sao mba tsiky sandoka
No niantefa taminao…

Dia aza ankamamiana
Ilay tsikiko matetika
Fa efa maro no variana
Ka ndrao ianao ho rendrika
toa azy ireo

Fa ny ahy ny tsikitsiky
Sarotava ho an'ny ratra ❤️‍?
Ho fehin'ireo hirifiry
Manindrona ka mety tsy ho zaka ...

SINGAM-PITIA SAROPADY… ✍️?
11-122025
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
50 0
Commentaires
Azrael666 ( 25/01/2026 12:56)
Mankasitraka e! Nampiainga fanahy, ka ity no setriny:

NA TSIKY SANDOKA AZA...

Na tsiky sandoka aza...
Ny tsikinao miantoraka
Mitondra fifaliana mitaratra ny masoko
Nanosika ahy hamboraka
Fitiavana mivoaka mitsiry avy ato anatiko:
Atolotro anao...

Na angola sandoka aza...
'Lay feonao famantarana,
Andon-drotsirotsy tiako sady fy-ko,
Ka hianoka hasambarana
Aminao ny faniriako:
Tia anao ny foko...

Satria ianao...
Ianao no notsongaiko, hitambatra ny aiko,
Ianao dia lanto loatra,
Tiako sy lalaiko,
Homeko toerana voavoatra,
Honina ato an-tsaiko...

...Na tsiky sandoka aza...
SingampitiaSaropady ( 25/01/2026 14:26)
....
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Singampitiasaropady
Inséré par : SingampitiaSaropady
Date : 24/01/2026 12:40
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0107