Avy aiza ilay kalak (Solofo José)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Kalak = Kalachnikov = basy niaka-daza tato ho ato)
___________________________

Mpandroba dimy lahy
Nanafika tatsy
Ringana ny entana
Maty ilay rangahy
Fa voadaroka kalak…
Kalak, kalak,kalak-n’iza moa?

Mpanafika enin-dahy
Nangalatra tary
Nitsofoka tan-trano
Nampiasa herisetra
Nametaveta ampela
Tsy afaka nanohitra
Notsenain’ny kalak…
Kalak, kalak, kalak-n’iza re?

Jiolahy folo lahy
Nanakana lalana
Nijanona ny fiara
Tsy nahita itsoriahana
Kalak roa nipoitra
Narangan-dry zalahy…
Kalak, kalak, kalak taiza angaha?

Bandy saron-tava
Nirohotra maromaro
Nandraoka ireo firavaka
Aderadera lava
Tselatra, indro teo
Kalak mampangovitra
An-tanan-dry zalahy
Nampangina ity karana
Moanan’ny kalak…
Kalak, kalak, kalak-n’iza koa?

Injato inarivo
Hita an-gazety
Fa dahalo marobe
Nandravarava teto
Voalaza fa nivimbina
Kalak avy any an-danitra
Nilatsaka toa mana
Ny tompony toa tsy hita
Tsy azonao fonjaina.
………..
Raha hihanaka kalak
Raha halalaka kalak
Raha hirefotra kalak
Hifanamontsana ny Gasy
IZAY VE NO TANJONTSIKA?


SOLOFO José
(24 jolay 1999)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
101 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofo José
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/02/2024 09:59
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1043