Ho azy (Sombin'entona mafaitra na Hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra aho androany, handrakitra tantara
Tantara tsy ho faty na sanatria ho levona
Hanoratra, hanaiky koa ny anjara
Dia ho hendry, ny lasa hakana lesona

Raha mitopy amin’ity soratra ny masonao ry tiako
Dia tsarovy fa an-dalam-pamafana ny embona rehatra aho a !
An-dalam-panadinoana ny toky izay nitokiako
Teo amin’ny molotrao tsy mba nananako ahiahy.

Koa tso-drano akia ry tiko no andindona eny ho eny a !
Tso-drano arahan-tsiky fa tsy sanatria an-tery
Efa nisokatra ny masoko dia koa nahay nipetraka
Efa nafoiko ho azy ilay noheveriko hitoerana e !

Mahasoava akia ralala dia mirary koa ny soa a !
Enga anie tsy ho toy ny antsika intsony ny anareo roa
Fa raha toa moa misy tsy fihetezana ka mandraingiraingy avy any
Aza akory miverina, mitaraina fa zakao irery any

Sao mantsy vao maika harary raha andalondalo aty
Efa hainao hoe ho latsa ka ataovy sanatria!
Tsy sanatria manozona fa fahasambarako izany
Indrindra moa ny hahita anao hifokofoko hitomany.

Ho sitrana kely ilay ratra-poko amin’izany
Dia hitehaka kely aho haneso, handatsa ihany
Hitsiky kely dia hitraka fa ho tsapanao amin’izay
Hoe maharary, mangirifiry ny niainako hatramin’izay

Fa amin’izay fotoana izay akia malala tadidio a !
Efa mamanala, rako-javona tanteraka
Ilay fo nangotraky ny fitia tsy mba resin’ny tadio
Tamin’ireny aho adala fa izao… mahalala reraka.

Tsy ho lazaiko anao akory ny niainako tamin’ireny
Fa aoka aloha ny fotoana no hiteny
Aoka ianao no hibaradaka sy hiteny fa nandratra
Avelako ianao no anenina, ho tototry ny vava sy ny latsa.

Fa anjarako amin’izay hoy aho no anasa tanana e !
Anjarako amin’izay ny hitsiky sy ho mirana
Ny fihetsiko raha tsy zaka aza mihitsy aho sakanana
Fa tsy anao intsony aho, ilay MAINTY FIODIRANA.
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fitiavana
369 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sombin'entona mafaitra na Hasina
Nampiditra : Sombinentonamafaitra
Daty : 24/04/2025 06:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0109