Anjarako IANAO (S.Toky)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANJARAKO

Tsarovy fa ianao no anjarako eto an-tany
Tiako ianao ary nofidiko na inona olana amin'izany
Na maro aza ny adidy, niarahantsika nanoloana
Dia tsarovy ry olon-tiako, fa ianao dia TIAKO foana

Raha ianao moa no hiala, anjaranao indray izay,
Tsy mampaninona ahy mihitsy, raha hoy ianao : "aok'izay"
Fa ny anatra hapetrako, sao hanenina any aoriana
Sao mizotra lalan-diso, izay vao aiza ianao ry tiana

Noho izany ry anjarako, lovasoa avy amin'ny Ray
Ny fiainantsika roa, andao akambana ho iray
Hiray saina, hifandefitra, ny fiainana manontolo
Fahafatesana no fetra, ny foko efa anao daholo

Fitia lamban'akoho, ka faty no isarahana
Io no voadintsika roa, io no tanjona ifaharana
Averiko eto anio indray, ary averiko eto ihany
Tsarovy fa efa ianao no anjarako eto an-tany

Anjarako, anjarako mandrakizay
Ary n'iza n'iza tsy hahasaraka anay
fa fitia tsara horina, mafy fototra
Tsy hirodana, eny na amin'ny sarotra.
--------
Rohy:
2403 1
Mpakafy: mandresy1
Hevitra mandeha
mandresy1 ( 20/11/2015 16:05)
ten marn zn tn mahay enw satri otran oe za mhts n tenenle iz
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : S.Toky
Nampiditra : Pynnokio
Daty : 14/03/2006 15:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131