FAHALEOVAN-TENA TOKOA VE ! (TANAMASOANDRO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ry taniko;rahoviana ianao vao tena afaka
fa tsy kiisarisary ihany fotsiny
raoviana ianoo vao tena mpandidy sy panapaka
ka zay safidinao no mbaharahiny

rahoviana ianao vao tena mahaleo tena?
sy ilay hoe mana fiahandrianany
rahoviana ianao vao tena hahazo ilay fahaleovan-tena?
izay tena izy fa tsy sarotsarony

raoviana ianao vao tena olon'afaka?
ireto vahoaka maro be ato aminao
rahoviana vao ivoaka ato anaty lavaka?
ka hahita anjara masoandro vaovao

rahoviana ianao vao tsy ho voageja mafy?
fa tena hanana ny fahalalahanao
raoviana ianao vao tsy hisy higafy
fa tena hiarin-doha tanteraka ianao

rahoviana;toa tsy sasatra manontany?
raoviana angamnba mety mbola nofy zany
satria zay mitondra anao toa kisarisary fotsiny ihany
fa ny vahiny no mibaiko azy hatrany

rahoviana na ianao io koa aza angamba mety hanontany
hoe tena afaka tokoa ve i madagasikara
diniho sy saino lalina any antintsika rehetra any
tena manana ny fahaleovantena tokoa ve i gasikara?
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
899 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TANAMASOANDRO
Nampiditra : gyau
Daty : 21/06/2012 12:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134