Vetsom-bavaka (Tandrify)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voahodidim-pahavalo ny lalan-kizorako
Feno fandrika miafina mamingampingana
Araraotin’ny hafa ilay fahatsorako;
Ny momba ahy rehetra no tiany ho ringana.

Tantano ny fiainako ry Ray ao ambony
Fa mbola malemy, tsy mahasara-dia
Aza avela hirona amin-dratsy intsony;
Ambeno ny foko, aza avela hania.

Omeo fahalalana ombam-pahendrena
Hahaizako miaina sy misaina tsara
Ka hionona amin’ny anjara nomena;
Hitsinjo ny hafa sy ho tia mizara.

Tantano eny an-dalana mba tsy ho very
Fa lala-mideza ny eto an-tany
Ambeno sy arovy, sikino ny hery;
Hizotra amin’ny lala-mahitsy hatrany.

Tao anatin’ny sarotra no nahatsapako
Fa Ianao no Ray mpampahery ny reraka;
Aminao no anankinako ireo fikasako,
Ka raha sitrakao, aoka ho tanteraka.

Tandrify
18/04/21
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
706 4
Hevitra mandeha
hery ( 11/04/2024 21:15)
Tsara atao hira chorale kosa izany.
Tokony mampiditra tononkalo maromaro :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tandrify
Nampiditra : Tandrify12
Daty : 27/03/2024 10:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201