tia aho (tanjonamickael)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana iray tsy nojerena
No injao mitaraina mahonena
Fo iray izay mitoloko
No mitomany sy mifokofoko

Fitiavana modian-tsy hita
Nefa indrao mitatabataba sy masiaka
Fo iray navela hitalaho
Nefa tsy mba noraisinao

Asa re fa dia nahoana
Ity foko no tsy mety moana
Fa miatsoantso anao hatrany
Manantena foana hatrany

Dia rahoviana aho no hionona
Sa miandry anao ho vonona
Avelao aho hiatso eto foana
Fa ho andriko hatran ny fotoana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
934 1
Mpakafy: tanjonamickael
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tanjonamickael
Nampiditra : tanjonamickael
Daty : 21/07/2018 19:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0652