You are here: home > Vetso

Any misy - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Any misy maso iray
Tsy mitsahatra mijery
Ireto masonao tomany

Any misy fo iray
Mahatsapa ka mitsetra
Izany sentonao izay

Any koa dia misy endrika
Malahelo ka onena
Raha mahita anao toa kivy

Any koa dia misy iray
Miombon-tsiro aminao
Rehefa tojo ny mangidy

Any koa dia misy felana
Te hiara-mitanondrika
Raha mahita anao malazo

Any misy iray mazava
Hanazava ny andronao
Raha tsapanao fa maizina

Any koa dia misy tanana
Mbola te handray anao
Fa mahita anao irery

Eny any misy namana
Te hitady anao foana
Raha toa ianao ka miery

05-04-22

Mombamomba

Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)


Nampiditra : Vonjisoa-andjanirina
Daty : 07/04/2022
Mpamangy : 77
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Any koa dia misy
Namako
Tsiaro
Ho anao
Noho ianao
TSY MISY
HAFATRA
Embona
FITIA
VAVAKA