Misiterin'ny fiainana (Thierry ANDRIAMIHONOSOA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony mbola zaza aho dia nianatra niteny
Nampianarina ahy daholo ireo zavatra tsy haiko
Hiatrehana ny fiainana no anton'ireny,
ka zary toro-lalana izay rehetra voaraiko

Nandalo teo ny mamy, dia nisy koa mangidy
Ka tena niady mafy mba hanoherana ny latsa
Ny hambom-poko sy ny tanjoko anefa no
nanampy ahy tsy ho kivy,
ka zary honohono foana ireo mangidy sy ny ratra

Te hiteny aho ankehitriny hoe: misaotra anao ry fiainana,
nampianatra ahy hikaroka sy hiala ny hakamoana
Ireo sedra nandalovana no nitondra ny fisainana,
mba hanenjik'ilay tanjona ahitana fandrosoana

taminao ry fiainana no nahaizako niafy
Ianao no vavahady izay nahazoako fandresena
Noezahinao nankaherezina aho raha sendra ady mafy,
ka niova ho lasa tanjako ireny fahalemena

Fiainana รด! izay momba anao dia mbola hiafiako,
ndao hiaraka hanangana 'lay ezaka vaovao
Hiaraka isan'andro mba hanomana ny ampitso,
ka ho ataoko raki-tsarobidy ilay misiterinao
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
68 1
Mpakafy: ANRIAMIHONOSOA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Thierry ANDRIAMIHONOSOA
Nampiditra : ANRIAMIHONOSOA
Daty : 04/04/2024 12:05
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134