You are here: home > Vetso

Anjara ratsy - Thierry

Azo vakiana?

Adalana ve ny ahy ?
Sa izay ilay vitan-dratsy
Tsy mahatoky ny Mpitahy
Ka hanantona mpimasy

Ratsy anjara ve ny tena ?
Sanatria anjara ratsy
Vao mizotra toa mianjera
Mety ho lavo atsy ho atsy

Miezaka isan'andro
Manatsara izay tsy nety
Ny fizotran'ny masoandro
Tsy mety...fa voafefy

Ny fiovana toa tsy nisy
Toa iray miverimberina
Na lalana mahintsy
Ratsy hatao no hampanenina

     (12-1- 06)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Thierry

Nampiditra : Babaroka
Daty : 22/07/2006
Mpamangy : 1255
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Faniriako
HARATRANA
HARATRANA