MAMIKO IANAO (Théo Fifaliana )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na tahakin'inona ny hakelin'ny saiko
Na hofefena tsy hahita anao aho
Zavatra iray ihany nous haiko
Dia tia anao aho

Tsy ampanantenaiko ny volamena
Tsy takatro ho anao ny kintana
Fa ny hitia anao no azoko omena
Hahasolo ny hafenoan'ny amamiana

Ny hasambarana no miraikitra ao anatinao
Mahery vaika tokoa ilay fijerinao
Hamamiana ny manoroka anao
Avelao aho hankafy izato hatsaranao

Iangaviako fatratra ny eo anilanao
Italahoako ny mba hiaradia aminao
Fa ny momba ahy dia efa babonao
Tsy hiantefa afatsy aminao
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
662 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Théo Fifaliana
Inséré par : TheFifaliana
Date : 26/04/2020 12:02
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134