TIA (Tiahy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza dia atao izany,
Ny fitiavako anao.
Fa sao hanenenanao;
Any aoriana any!
Ity foko tia dia tena tia,
No atolotro anao.
Mandrakizay ka ho doria;
Hanoa ny fitiavako anao!
Ka aza dia ampijaliana,
fa izaho anie ka tena tia.
Sady efa niaritra 'reo fahoriana;
Tsy ho an'iza anefa izany fa ho andry!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - embona
2881 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tiahy
Nampiditra : hobytyh
Daty : 11/04/2006 10:56
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102