Tontolo inona? (Tianjara RAKOTOANOSY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanatontoloina mande tailany
Ny zatovo ankilany miala ilany
De mba ho aiza re ny alehany
Rahatrizay tsy aharaka filàny.

Fa Toa varina rendrarendra sy lamaody
Tsy ela velona ve : mahery tsy maody?
Anatrehan’ity fahantrana toy ny ozona
Tandremo fa ny tampoka tsy ampoizina.

Fivoharana anambaka tontolo iainana
Ivadihanio tsy misy intsony ny itarainana
Dia eo vao ho fanjakan’ny baroa
Satria samy hanavotena bambaray.

Ianareo no hoavin’i Gasikara
Iza re no itantana sy ikarakara
Menasofina sy ireo sinoa, sa karàna?
Zay mitombo sady toa tamana!
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
140 3
Mpakafy: SANAKERIB - corali - Tianjara99
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tianjara RAKOTOANOSY
Nampiditra : Tianjara99
Daty : 04/03/2024 14:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139