SISA... (Tiary Njava)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SISA...

Asa raha tadidinao
''Ranomaso iray nijohy''
Fony isika hifandao
Fa tantara tsy hitohy.

Moa mbola an-tsainao ao
"Fo nifidy ho tena tia"
Eny mbola hatramin'izao
Dia miandrandra ilay Doria.

Moa...mbola tsaroanao tsara
''Fo iray izay torotoro"
Dia nezahin'ny anjara
mba harodana hikoro.

Tsy haiko ianao na hino
Fa ny foko sy ny saiko
Dia tsy hahavita hanadino
ilay olona lalaiko.

Tsy mba haiko ho hadinoina
Ilay tantaratsika roa;
Ao anaty tsy hay vonoina
fa...injao mifantsika ao am-po
sy ao anatiko rehetra.
Ho diary tsy hanam-petra.

Tiary Njava[22-03-2018]
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
699 2
Mpakafy: tiarykalo - tiaryn'java
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tiary Njava
Nampiditra : tiaryn'java
Daty : 06/01/2019 09:06
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118