HANATRA (Tinah mahefahaja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh! Ity aho dia tsy tafita
Na ny fianarana aza ity tsy vita
Ny kibo ambalana jereo fa hita

Tsy aleo ve nijanona ihany
Ny volan' ny dada sy neny izao lany
Ny zanany ity mirefarefa amin'ny tany

Tena mahatsiaro manenina be
Nanjary madama tsy misy ramose
Kanefa mba nieritreritra ho "bachelier"
Kinanjo namonjy maternite

Ry tanora malala ambarako anao
Ny fitiavana dia tsy azo atao kilalao
Lalana tokana tsy vazivazy
Aza miray raha tsy vita mariazy

Aza maika anao firaisana
Fa io mampidi- doza sy mampitondra faisana
Ny sipa ataovy fa tsy maninona
Ny firaisana fadio fa mandanginona.
--------
Rohy:
1033 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tinah mahefahaja
Nampiditra : tinamahefa
Daty : 06/07/2015 19:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134