ity fiainako!!! (tly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity fiainako zary tsy hita
Ela niezahana nefa tsy tafita
Lany aiky aho nefa tsy mety ny saina
Mba mikiry, nefa velon-taraina

Zao ve no anjara sy lahatra?
No ezahiko esorina nefa vao maika mamahatra
Moa ve sanatria tsy afaka intsony?
De hiforetaka ety ambany fa tsy mba ambony!!

Eh! atao ahoana moa raha izay no izy
Fa de iafiana na manome krizy
Tsy afa-manoatra satria zay no fetra
Tsy mba lavorary ohatran'ny olon-drehetra

Nefa kosa mino aho ary manantena
Fa mbola hitodika amiko le vitan-karena
Ny fiaviany fotsiny no mbola tsy hay
Hibaliaka ny fiainako amin'zay!!

Ka ry mpihaino sy mpamaky
Aza de mankarary loatra ny ao an'aty
Fa aza mitsahatra ny miezaka fona
Inty aho eto, fa mbola ho avy le fotoana!!
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1412 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 01/03/2006 09:28)
"Aza manana ahiahy" hoy ny tononkalo nosoratan'i Nikopol
http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v4399a9a89365e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tly
Nampiditra : tly
Daty : 01/03/2006 06:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091