Vavaky ny mpivarilavo (Tonitony)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tsy misy intsony tompo
Sombitsombin-kasambarana
Azonao atolotra ahy eto an-tany fandalovana
Dia mba raiso ny fanahiko
Izany jaliko mba hifarana
Ary aoka koa ny vatako ho resim-pahalovana

Raha tsy misy intsony koa
Potipotika fitia
Hampihonona ny foko efa resim-pahoriana
Dia mba raiso ny fanahiko
Hiala sasatra doria
Ka ny nofoko efa vizana hahazo fitoniana

Fa raha mbola misy kosa
Sombintsombin-kasambarana
Sy potipotika fitia
Azonao atolotra ahy eto an-tany fandalovana
Dia mba aoka ho voky andro ity nofoko ity
Ka hahazoazo taona vao ho resim-pahalovana
--------
Lien:
Catégorie : Fiononana
1172 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tonitony
Inséré par : NyAndry
Date : 06/07/2007 18:47
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148