IZY NO IZA ? (Tonton Sii)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZY NO IZA ?Tonga manolotra ny arahaba hoantsika rehetra indray
tafahaona ato amin’ilay antsointsika hoe « KaloGasy »
Mitodika amin’ireo izay mana-namana,
izay hofaritako eto ambany ny masin’izao tontolo izao…
Ndao ary...
Izy no iza ?
1. Ilay anilanao foana n’inona n’inona mitranga
Tsy hanadino anao mihintsy, mistery mahagaga
Tsy mba mitady tambiny na dia filafilaina
Tsy mitia anaty kajy, tsy mba kivy tsy malaina
2. Indraindray akaikinao, misy koa ny avy any lavitra
Tsy mba saropiaro na be vava miady varotra
Fa tena tia anao, manaja anao am-po madio,
Ilay manoratra matetika, miangavy hoe : « mba valio »
3. Indraindray ianao toa leo, mahatsiaro voaelingelina
Satria manao lemizo ilay sakaiza mahadomelona
Maraina atoandro hariva, somaiso, antso an-tarobia
Manaitra, mampifoha, mahasorena, 'ty hoa mba matoria…
4. Tsy tsapanao akory hoe fitiavana hafakely
Fa tsy fitiavan-tena, ifanerena velively
Natosiky ny fo, lalim-paka hatrany anaty
Na dia tsy ho anjara akory, ho andefomandry, ho lasa vady
5. Raha natao ny tombatombana sy ny kajy rehetra rehetra
Dia mazàna ianao no mora kivy sy taitaitra tia mitsetra
Tsy mba afapo akory amin’izay kely anananao,
Fa mila voa tsy hary madiditra mankalao…
6. Ianao ilay be taraina hoe ity ve tsy "harcellement"
Satria manelingelina tsy misy fiafarana toa "détournement"
Fa tsy ao an-tsaina akory ary tsy mba nohadihadinao,
Fa ianao anie no ambadik’ilay fony mitalao…
7. Ary zao no tsy fantatrao…
Rehefa ianao ilay mikajy, manaja, mahafoy fotoana ho azy…
Miezaka miantso sy manoratra, miampy vazivazy
Faly ery kiala ary miramirana ny sainy…
Satria na lavitra aza, ampoka fitia tsy hay zaraina…
8. Fa rehefa ianao ilay miavona, tsy te hahalala akory…
Mba tsarovy ihany letsy ilay fo keliny fa dia ory
Satria mafonja ny azy ary tena marefo,
Raha manana anabavy ialahy dia mba tohano izy sy herezo…
Izy no iza ?
9. Ilay tsy be kajikajy, fa fitiavana madio
Ilay tsy mitady tambiny, fa fitiavana ho doria
Ilay mahafoy izay ananany, na dia ny ainy aza
Ilay manapatra ny tanany hoanao ry zakaiza…
Hafatra….
10. Raha voninkazo izy dia kolokoloy sy karakarao,
Kajio sy tondratondrao
Raha fanaka kosa dia aza atao fitaovana,
Hoe hatositosika sy hafindrafindra, hotorovana
Nefa rehefa misy mitsiriritra, vao omena lanja sy arovana
11. Raha sakaiza tena tsy mahafoy izy dia tiavo toy ny itiavany anao…
Raha namana mahatoky ihany koa, dia hajao fa tsy fanao ankilabao…
Dia raha misy manahirana anao ry akama aaaa, Mba zarao…
Fa na ny namana sy ny fianakams aza,
mino aho fa tsy hahavita ny vitany taminao...
12. Aza mitsipa-doha ny laka nitàna, filaza raha ray aman-dreny…
Aza manary jôkera raha sendra anjely…
"ny fitiavana no lehibe indrindra" hoy ny baiboly
aza sodokan’ny endrika ivelany fa ilay tena tia anao, na salama na ory…
no hajao sy ankamamio fa tsy izay rehetra miserana no hialanavoly
MankaSitraka eeee….
Fantatrao amin’izay ve ilay hoe : Izy ary no iza ???
Samy mahafantatra ny azy angamba isika tsirairay aaa…
Atsipy ny tady an-tandroky ny omby,
Atsipy ny teny ao am-pon’ny mahalala….
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
hery
(
06/12/2024 16:29)
Aza adino ny manao public an'ilay audio fa manjary tsy heno