Ady fitia (Tselatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
- Volana ve aho no maty mason'ny masoandro, sa amberivatry ka apetraka éry an-tsisim-boly?
Saingy mandefitra aho ka tsindriana, saingy mihafy aho ka ampandeferina!
Raha vady tsy mahatapaka aho, Andriamatoa, aleoko mody any amin'i neny;
raha andefimandry hotapahin-kafa, dia aleko mody any amin'i dada.
- Fa nahoana ianao no tatamo ka hamototra farihy, songosongo ka dia hameno tanety?
Fa angaha raha malala dia hievotra, raha tia dia hitsingotra?
Sakamalao sy havozo ianao sy izy ka samy mitondra hanitra ho azy.
Ianao ila ka tiavina; izy fototry ny aina ka rsy azo tsipahina.
Mahaiza tia, mahaiza mitondra, rahavako, fa mizana voaofana omaly aho ka tsy manisy tombo sy hala.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1846 2
Mpakafy: sonwin - ltobyh
Hevitra mandeha
yonikafopl ( 06/04/2005 21:14)
ftma hummmmmmmmmm
sallai ( 07/04/2005 13:24)
yonikafopl ftma aza mba efa namaky gazety tamin'ny 1910 ao nahita an'io de hummmmm fontsiny
cutie ( 14/04/2005 21:10)
ftma,mba hazavao akia fa tsy azoko le izy a. hihihihi
jentilisa ( 25/04/2005 14:05)
Ohatran'ny hoe ilay milaza ho tia tsy dia tsara akory nefa mitady hanitsakitsaka? Ny tsy azoko eto dia hoe iza no mampirafy! sa samy mampirafy?
ftma ( 26/04/2005 23:17)
cutie: teny gasy be io ve dia tsy azondry zandry? andraso fa hazavaiko amindry tsara amin'ny manaraka.
Jentilisa: le rangahy no mampirafy ka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tselatra
Nampiditra : ftma
Daty : 06/04/2005 20:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137