AOK'IZAY (TSIHAFA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOK'IZAY

Raha ny ato ampoko no holazaiko eto anio
Dia ho lazainao fa adala ity saiko bobok'alahelo
Feno loatra izato izy mahita anao milamin-tsaina
Tsy mandre sy mikipy manoloana ireo taraina

F'izao ihany angaha dia ampy hamintinako ny teniko
Aok'izay ny vazivazy sy rediredinao fa jereo
Reto olo-maro be mitaraina ,mitoreo,
Trotraky ny fahantrana valaky ny hakiviana,

Aok'izay ny sangisangim-pandrosoana efa mankaleo
Aok'izay ny saritsarim-pitondrana milaza izay tsy misy
Aok'izay ny rendrarendr'adalana afafy ampahi-be masao
Aok'izay ny karazam-pahotana mandrendrika ny nosiko.

Aok'izay
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
71 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIHAFA
Nampiditra : TSIHAFA
Daty : 26/11/2024 08:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761