moa ve ra malagasymanana (Tsikiniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
moa ve ra malagasy
manana fitenin-dreny
fa toa fiteny hafa mantsy
no reko an-dalana eny

ankavitsiana irony toerana
ahenoako ny teninay
ny sekoly aza noferana
tsy hiteny afa tsy frantsay

dia amin'izay mibadabada
misehoseho fa hoe havanana
dia tsy mitsahatra ny vava
na an-tsekoly na eny an-dalana

fa ratsy ve ny an'ny tena
no soloina vaovao
la ny an'ny hafa no kendrena
ho eo ampelatananao

Tsikiniaina
--------
Rohy:
684 1
Mpakafy: tsikifab465
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikiniaina
Nampiditra : tsikifab465
Daty : 27/04/2018 15:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148