IZAHO sy ANAO (Tsiory RAKOTO)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe kisendrasendra
Na koa zavatra miserana
Fa ''izaho sy anao'' mitoetra
Ary tsy azon'iza ferana

Ianao no andefimandry
Ho reniben'ireo taranako
Ianao ilay tena vady
Tsy mahasaraka ny tanako

Ho anao ireo teny mamy
'Zay nozaraiko tamin'ireny
Fa raha nisy koa tomany
Dia etsy honerako tantely

Ny foko ataovy lapa
Dia aza avelanao irery
Satria tiako izaho no Dada
Dia ianao no lasa neny

Hifankatia mandrakizay
Ny dianao no ataoko lalana
Raha toa sitrak'Ilay Ray
Aleo ny faty no isarahana

Tsiory RAKOTO, Febroary 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
554 1
Mpakafy: Tsiory Rakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiory RAKOTO
Nampiditra : Tsiory Rakoto
Daty : 12/07/2022 13:05
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145