AZA MANAHY (Tsu Elodie)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manahy akory fa tsy nanenenako ny lasa,
Tsy nanenenako ny nitia na aza aho voaratra,
Dia lesona ny vita fa manaiky aho hoe tsy anjara,
Eny, tsy natao hiara-dia dia aleo hijanona ho tantara.


Aza manahy akory oe arahiko alahelo ny momba atsika roa,
Fa tamin'ilay ranomasoko latsaka iny ihany dia nivalona avokoa,
Na aza nosehinao ny dinatsika 'zay napetraka,
Dia hiezaka aho hanova tantara vaovao lavitry ny hetraketraka.


04/12/23
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
64 1
Mpakafy: Tandrify12
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsu Elodie
Nampiditra : Tandrify12
Daty : 20/04/2024 02:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128