You are here: home > Vetso

IZAY.....NO...... - Tsy Avahana

Azo vakiana?

Ny topi-maso kely nifanomezantsika
no nampifoha indray ny masoko natory
ny tsikinao niserana tanaty iray minitra
dia ampy nahafoana ny taonan-tsorisory

Ny asa soratrao no tiako hosoratana
ny ainga anatinao no ainga tiako hateraka
ny ao am-ponao ao no tiako hifanarahana
hiombona amin'ny foko 'zay tia anao tanteraka

Ny andro iainanao no andro tiako hiainana
'zay nofinofinao no tiako honofisina
'zay eritreritrao no iriko mba hosainina
ny maharevo anao no satriko hodinihina

ny fifalianao no satriko hifaliana
ny ranomasonao no tiako koa harotsaka
'zay fijalianao no satriko hijaliana
ny hasambaranao no satriko haposaka

'zay hira maminao no mamiko kaloina
ny dian-tananao no tiako ho dian-tanako
'zay hanitrao indrindra no tiako hamboloina
ny anjaranao no satriko ho anjarako

izay visavisanao no satriko hovisaina
ny misy ao aminao no tiako hofisiana
'zay ao an-tsainao ao toa tiako hasiana aina
ny mahasondriana anao no satriko hahavariana

raha tsorina dia izao
ny tontolo rehetranao
no tontolo mba iriko
hiombonana ry tiako

26/11/12

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Tsy Avahana


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 11/11/2019
Mpamangy : 99
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Banjininao maharitra amin
Dia tsy haiko mihitsy aki
Teninao ny hoe: "Mafisa f
Vitako ny zanako