Mbola misy antenaina (Vahabahinala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy mantsy Nosindrazako
He ianao ankehitriny
Fa ilay sedran'ireo razako
Nikasa handroaka ireo vahiny
Toa zary nofy tsisy tazako


Zany hoe mba fahafahana
Nidedahana eran-tany
Toa zary nahapahapahana
Mampandrotsaka tomany
Fa ny vahiny no mibahana

Fa mbola hoavy ny maraina
Mbola ho foana ny taraina
Mbola misy antenaina
Dia zaho sy ianao velon'aina
Ndao hiasa tsy an-taraina

Tsy hiandry ireo vahiny
Hamahana sy hampitafy
Tsy hifanome tsiny
Fa ndao hiasa samy gasy
Ho vokatra io atsy ho atsy.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
888 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vahabahinala
Nampiditra : Vahabahinala
Daty : 31/03/2012 09:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156