tamin'iny lalana iny (Valentin RAKOTONDRASOA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin’ iny lalana iny

Toa tara-bolan-tsomambisamby
Taorian’ ny takariva iray
Ny taratry ny endrikao
Tamin’ iny lalana iny

Toa masoandro malefaka
Ny hazavan’ ny tavanao
Manosika ny andro ho lava
Ka tsy arahin’ny talaho

F’ataoko ahoana ny hanakatra
Izay tiako omena anao
Ataoko ahoana ny hanome
Ny tsy azo omena anao?

Fa iriko ny ahafantatra
Ny tahiry anatinao
Tena tiako ny ahalala
Izay jeren’ ny masonao

Ataoko ahoana no ilazako
fa izao dia tia anao?
tiako mba ho tsapanao
ilay foko rendrika ao

Tsy haiko ny mamaritra azy
fa hery hafa no asehon’
ny andro iray izay sendra anao
ka satry foana ho tojo anao

Saingy………indrisy

Maro lalana ny tany
saingy tokana ny dia
tsy anjara ny hiara-paly
sy hadalana ny hiaradia

Efa lasa ny havanao
tsy nahandry ny androany
niambozona bilao
namakivaky izany tany

Eny tsy andry ny androany
nahitako ny endrikao
tsy ho lasa hitomany aho
fa hampaniry anatiko ao
ilay fitia zay tafatsiry
noho ny hetrakatrakin’ ny maso
mitady lalana mikiry
nefa tsy afaka mankaiza

Fa mitohy ho masoandrom-
pifalian’ ny andro rehetra
ny fahitako ny endrikao
amin’ iny lalana iny

mitohy ho tara-bolana
mitondra nofy tsy hay tohaina
ny tsiky asehonao hariva
amin’ iny lalana iny


Tsy ho sahiko satria
ny foko tsy mba roa fa iray
ka raha ataoko hoe fitia
tsy tena izy fa ilay iray

Tsy tsotra akory aho sanatria
fa zava-misy no ambara
tiako hitohy ny tsikin-dry
fa ho avoakako ho tantara

Valentin Philibert RAKOTONDRASOA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1173 1
Mpakafy: val0314
Hevitra mandeha
val0314 ( 11/03/2010 08:15)
Atolotro ho an'i Bakoly, mipetraka ao Ambalavato 601 ary mpianatra ao min'ny INATE Antsirabe ity tononkalo ity.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Valentin RAKOTONDRASOA
Nampiditra : val0314
Daty : 11/03/2010 08:13
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.065